Kristy fiainantsika

Adalam-pitiavana anao Andriamanitra


Adalam-pitiavana anao Andriamanitra
Thème du mois : Mitarika ho amin'ny fandinihan-tena ny Tompo

Adalam-pitiavana anao Andriamanitra

""fa ny rà soan'i Kristy, toy ny ran'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina""

Mba azonao an-tsaina ve ny vaha-olana tsy azo eritreretina nataon' Andriamanitra mba tsy ho very ianao? Tsy maintsy nalatsaka ny ran'ny Zanany ho setrin'ny fahamarinana hoe : "fahafatesana no tambin'ny ota" sy ny hoe "fa raha tsy misy rà alatsaka dia tsy misy famelan-keloka". Tsy namaly Andriamanitra rehefa niantsoantso Jesoa hoe : "Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nahoana no dia mahafoy Ahy ianao?" Tsy nijery Azy Andriamanitra, tsy nihaino, fa ianao tiany ka nahatonga Azy adalam-pitiavana no nobanjininy. Dia inona no avalinao izany?

🤲Vavaka:


Andriamanitra ô, mba ho adalam-pitiavana anao koa anie izahay ka tsy ho menatra hanao izay mahafaly anao.

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

25 mars 2026

10 vues

10 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro