Afaka mifaly foana isika isan'andro fa tsy hoe amin'izao andro krismasy izao ihany akory

Thème du mois : Manantenà an'Andriamanitra
Afaka mifaly foana isika isan'andro fa tsy hoe amin'izao andro krismasy izao ihany akory
""... fifaliana lehibe izay ho an'ny olona rehetra; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ...""
Mba mifaly kely miavaka amin'ny ankohonana rehefa krismasy e! Mahafinaritra izany! Fotoana kely mba isentoan'ny maro itambesaran'ny vesatr'izao fiainana izao ny krismasy.
Tsy fifaliana kely no tian'ny Tompo omena fa fifaliana lehibe, tsy ho an'ny sasantsasany fa ho an'ny olona rehetra ary tsy amin'ny fotoana fohy manodidina ny krismasy sy taom-baovao fotsiny fa amin'ny fotoana rehetra na dia izao andro mahory alohan'ny farany izao aza. Hoy Paoly : "Mifalia mandrakariva ao amin'ny Tompo, hoy izaho indray : Mifalia !" - Filipiana 4:4. Amin'ny Tompo Ilay nateraka tamin'ny krismasy dia afaka mifaly foana na dia tahaka an'i Paoly tany am-ponja aza
Mombamomba
25 décembre 2025
9 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor