Kristy fiainantsika

Afaka tamin'ny fanandevozana, mizotra makany Kanana


Afaka tamin'ny fanandevozana, mizotra makany Kanana
Thème du mois : Mamoria vokatra ho an'ny Tompo

Afaka tamin'ny fanandevozana, mizotra makany Kanana

""ka hoy izy tamin'i Josoa: Efa natolotr'i Jehovah eo an-tanantsika tokoa ny tany rehetra; ary efa ketraka ny mponina rehetra amin'ny tany noho ny tahotra antsika""

Tsy miova mandra-pihavin'ny Tompo ny tenin' Andriamanitra hoe : "Ka dia ho hitanareo indray ny tsi-fitovian'ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an'Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy" - Malakia 3:18. Hoy koa ny Tompo : "fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka" - 1 Samoela 2:30. Hatramin'ny nialan'ny Zanak'Israely tany Egypta ka hatreo anoloan'ny madan'i Jeriko dia natahotra sy torak'ovitra avokoa izay nolalovany. Ary ianao, efa niala tamin'ny fanandevozana tahaka ny Zanak'Israely ve ianao ary mizotra ho any amin'ny tany Kanana? " "Ny Tompo mahalala ny azy", ary koa: "Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran'ny Tompo hiala amin'ny ratsy."" - 2 Timoty 2:19


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

19 octobre 2025

2 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro