Ahitsio hanaraka ny lalanao ny lalako Andriamanitra ô!

Thème du mois : Mitarika ho amin'ny fandinihan-tena ny Tompo
Ahitsio hanaraka ny lalanao ny lalako Andriamanitra ô!
""Ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko, Dia tariho amin'ny lalana mandrakizay aho""
Misy lalana heverin'ny olona ho marina kanefa mizotra amin'ny fahaverezana satria voafitaky ny fony izy. "Ny lalanareo kosa tsy mba lalako hoy Jehovah" - Isaia 55:8b. Raha manaiky hianao dia hoy ny Tompo : "Eny, mitantana anao amin'ny tànana ankavanan'ny fahamarinako Aho" - Isaia 41:10b. "Koa amin'izany manetre tena ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin'ny fotoan'andro" - 1 Petera 5:6.
Tsy misy fitahiana ho anao mihitsy ao anatin'ny fizirizirinao handeha araka izay tinao. Ny sitrapon' Andriamanitra ihany no tsara sady ankasitrahana no marina (Romana 12:2). Aza manaiky hofitahin'ny fonao.
🤲 Vavaka :
Mba hanaiky hotarihinao amin'ny lalanao marina, dia Jesoa Kristy ny zanakao rehetra Andriamanitra ô!
Mombamomba
16 mars 2026
13 vues
10 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor