Kristy fiainantsika

Aiza ny Betlehema tokony ahitana anao?


Aiza ny Betlehema tokony ahitana anao?
Thème du mois : Manantenà an'Andriamanitra

Aiza ny Betlehema tokony ahitana anao?

""Mahasitrana ny torotoro fo Izy Sy mamehy ny feriny""

Nateraka tany an-tranon'omby Jesoa Ilay nanana ny endrik' Andriamanitra, nanana ny voninahiny sy noderain'ny anjely. Tany an-tranom-bahiny avokoa no nivantana ny vahiny, tao amin'ilay toerana tsy fandraisana olona no nivantanan'ny fanasitranana, tsy tian'ny olona hojerena akory tahaka ny tranon'omby.

Vaovao mahafy ny fahaterahan'i Jesoa tany an-tranonomby, fanantenana ho an'ireo rehetra tsy misy mpitia ary tsy misy mpijery. Izay manana an'i Jesoa ao am-pony koa dia manahaka Azy, any amin'ireo olona noana, marary, any am-ponja sy ireo mila vonjy no Betlehema ahitana Azy.


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

24 décembre 2025

7 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro