Kristy fiainantsika

Akofa sa tena vary?


Akofa sa tena vary?
Thème du mois : Mpandresy ny Tompo

Akofa sa tena vary?

""... ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao""

Rehefa nokororohin'i Satana Petera dia voaporofo fa tahaka ny akofa sy mololo fa tsy tena vary. Tia an'i Jesoa izy, nino Azy izy saingy mbola maivana, fitiavana sy finoana mora tsofin'ny rivotra. Tao anatin'ny fotoana fohy, in-telo nandà ny Tompo.

Ny mahafaly dia ny fibebahany, tsy nanamafy fo tahaka an'i Jodasy izay namono tena izy. Nivaly ny vavaka nataon'i Jesoa ho azy hoe: "Izaho nangataka ho anao mba tsy ho levona ny finoanao". Nampahery sy nitaona olona maro ho an'ny Tompo Petera. Aza reraka ny mibebaka rehefa voaporofo fa akofa tahaka an'i Petera ianao.

🤲 Vavaka:




Jesoa ô! Aza avela hiala Aminao izahay rehefa miharihary ny fandavanay anao. Tariho hibebaka mandrakariva izahay

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

1 avril 2026

25 vues

10 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro