Aleo vitsivitsy tena mitady ny Tompo toy izay be tsy handraofana

Thème du mois : Mitarika ho amin'ny fandinihan-tena ny Tompo
Aleo vitsivitsy tena mitady ny Tompo toy izay be tsy handraofana
"Ary izy ireo niverina tany Jerosalema, rehefa avy teo amin'ny tendrombohitra atao hoe Oliva, ..., dia niakatra ho any an-trano ambony, izay fitoerany, ..."
Niomana amin'ny fandraisana ny Fanahy Masina ny mpianatra. Niara nivavaka nandritra ny 10 andro tao amin'ny efitrano ambony. 120 teo ho eo no isan'izy ireo. Nanomboka tamin'ireo olona vitsivitsy vonona hitady ny tavan'ny Tompo ireo ny fielezan'ny filanzantsara eran'izao tontolo izao.
Aleo vitsivitsy tena mikatsaka ny fanjakan' Andriamanitra, roa na telo mivory amin'ny Anarany hoy ny Tompo, toy izay marobe miredona ny hosana! hosana! nefa avy eo mandà ny Tompo manao hoe : homboy! homboy! amin'ny teny sy asa ary fitondran-tena.
Vavaka:
Rehefa miara-mivavaka izahay dia tariho hifantoka Aminao fa tsy amin'ny olombelona. Amen
Mombamomba
17 mai 2026
89 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Mihossiraman