Kristy fiainantsika

Ambarao amin'ny finoana fa manana ny fahefana rehetra ny Tompo


Ambarao amin'ny finoana fa manana ny fahefana rehetra ny Tompo
Thème du mois : Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo

Ambarao amin'ny finoana fa manana ny fahefana rehetra ny Tompo

"... Eny, Hianao no manapaka amin'ny fanjakan'ny jentilisa rehetra, ary eo an-tananao ny hery sy ny fahefana, ka tsy misy mahasakana Anao"

Izany no nataon'i Josafata mpanjaka manoloana ny taranak'i Moaba ary Amona, firenena jentilisa tonga hanafika ny Joda. Vavaka fanambaram-pinoana no nataony. Fihobiana, fiderana an' Andriamanitra no nataon'izy ireo alohan'ny hiatrehan'ny ady. Inona no vokany? Izy samy fahavalo indray no nifandringana.

Manoloana ny toe-javatra sarotra, mampitahotra, fakam-panahy, ambarao amin'ny finoana fa an' Andriamanitra ny hery sy fahefana, dia ho hitanao ny voninahiny.

Vavaka:

Ny mpitondra fanjakana rehetra, ny vahoaka rehetra anie samy hanaiky fa Anao irery ny fahefana ka samy hankatò Anao. Amen

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 1 juin 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

1 juin 2026

89 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro