Amin'ny alalan'i Jesoa, midina ao am-ponao ny fiadanana any an-danitra

Thème du mois : Mampahafantatra ny asan'ny Tompo ny soratra
Amin'ny alalan'i Jesoa, midina ao am-ponao ny fiadanana any an-danitra
""... Ary fiadanana ho etỳ ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany.""
Tsy tamboa isaina ny kintana any amin'ny habakabaka any, saingy nisafidy ity tany onenantsika olombelona ity Andriamanitra mba handefasana ny Zanany Lahitokana. Vaovao mahafaly izany.
Eto amin'ity tany ity no misy olombelona izay noforonina araka ny endrik' Andriamanitra. Sarobidy amin' Andriamanitra isika sy ny tany onenantsika. Sitrak' Andriamanitra ampidinana ety an-tany ny fiadanana any an-danitra.
🤲 Vavaka :
Mivavaha mba hiainan'izay rehetra manana an'i Jesoa ny fiadanana avy any an-danitra ao amin'ny tontolo misy azy
Mombamomba
4 février 2026
5 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor