Kristy fiainantsika

Amin'ny fahalemena no isehoan'ny herin' Andriamanitra


Amin'ny fahalemena no isehoan'ny herin' Andriamanitra
Thème du mois : Mahatoky amin'ny asany ny mpino

Amin'ny fahalemena no isehoan'ny herin' Andriamanitra

"... Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin'izay rehetra hanirahako anao ianao, ..."

Mosesy koa niala tsiny ka nanao hoe : "tsy mahay mandaha-teny aho". Gideona koa nandà ka niteny hoe: "Ny mpianakaviko no malahelo indrindra ... ary izaho no kely indrindra amin'ny ankohonan'ny raiko". Paoly nangataka ny hialan'ny fanaintanana teo amin'ny tenany mba hahazoany manatanteraka ny iraky ny Tompo fa ny valim-bavaka dia ny tenin' i Jesoa hoe: "Ampy ho anao ny fahasoavako, fa ny heriko dia tanterahina amin'ny fahalemena". Hoy Andriamanitra tamin'i Gideona: "Mandeha amin'izao herinao izao ka vonjeo ny Israely". Rehefa samy nandeha tamin'ny finoana sy fitiavana izay rehetra nirahin'ny Tompo dia nahavita mihoatra noho izay notakiana taminy. Ianao koa, mandehana amin'izao maha ianao anao izao!

Vavaka: Ianao no miasa, mpiara-miasa Aminao izahay, mampianatra anay hanetry tena ao amin'ny fahalemenay. Amen!

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 21 juillet 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

21 juillet 2026

92 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro