Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho

Thème du mois : Mahandrasa, ho avy ny Tompo
Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho
""Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho""
Ataovy tsy mitsahatra ao am-ponao sy ao an-tsainao amin'ny fotoana rehetra ary manoloana ny toe-javatra rehetra izany vavaka izany. Fa hoy ny Tompo : "Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho" - Salamo 32:8
Tsy hitan'ny masontsika Izy, tsy mandre feo avy any an-danitra isika fa raha mitady Azy amin'ny fontsika rehetra isika dia hahita Azy (Jeremia 29:13). Tsarovy fa ny sitrapon' Andriamanitra dia tsara sady ankasitrahana no marina. Aza tonontononina fahatany ilay vavaka nampianaran'i Jesoa hoe : "Atao anie ny sitraponao ety an-tany ..." ary iaino ilay vavaka nataony hoe : "Tsy ny sitrapoko anie no atao fa ny Anao"
Mombamomba
3 novembre 2025
6 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor