Ampiasao hihariana harena any an-danitra izay nomeny anao

Ampiasao hihariana harena any an-danitra izay nomeny anao
""Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena, hoy Jehovah, Tompon'ny maro""
Angaha ny volafotsy sy ny volamena ihany no Azy? "An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy" - Salamo 24:1. Manoloana ny fanarenana tsy maintsy atao amin'ny tempolin'i Jehovah dia io teny io no nampaherezan' Andriamanitra ny olony. Zava-dehibe ny fanatrehan' Andriamanitra, tsy ao amin'ny Tempoly ihany fa ao am-pon'ny olona indrindra koa.
Izay hahatenteraka ny fonenan' Andriamanitra ao am-pon'ny olona izany indrindra no ampaherezan' Andriamanitra antsika hitory filazantsara hihavanan'ny olona Aminy.
Asa lehibe sy sarotra izany hoy isika fa ny Tompo kosa dia mampahery anao hirotsaka an-tsehatra fa Azy ny zavatra rehetra. Ampiasao hihariana harena any an-danitra izay nomeny anao.
15 août 2025
6 vues
3 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Editor