Amporisiho ny lehilahy hiseho eo anatrehan' Andriamanitra

Thème du mois : Mamoria vokatra ho an'ny Tompo
Amporisiho ny lehilahy hiseho eo anatrehan' Andriamanitra
""Dia intelo isan-kerintaona no hisehoan'ny lehilahy rehetra aminareo eo anatrehan'i Jehovah Tompo""
Izany ka tena lehilahy! Mampientanentana ny fon'ny lehilahy ny fanambarana izany teny izany aminy. Malahelo ny maro raha atao hoe sarimbavy, misy nefa no tsy mankasitraka ny nanaovan' Andriamanitra azy ho lehilahy ary maro koa no tsy mijoro amin'ny andraikitra maha raim-pianakaviana azy ka ny vehivavy indray no lasa mitomban-dahy. Amporisiho ny lehilahy hiseho eo anatrehan' Andriamanitra. Andriamanitra dia natao hoe Ray fa tsy Reny, mahalala ny adidy mavesatra eo an-tsoroky ny lehilahy Izy, tsy tonga handatsa antsika Izy. Mampahery ny lehilahy ny fisehoana eo anatrehany
Mombamomba
23 octobre 2025
10 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor