Ampy antsika Jesoa, feno ny fitiavan' Andriamanitra,

Thème du mois : Manantenà an'Andriamanitra
Ampy antsika Jesoa, feno ny fitiavan' Andriamanitra,
""Fa nampionona sy nampangina ny fanahiko aho; Tahaka ny zaza efa maoty eo amin-dreniny. Dia tahaka Izany ny fanahiko ato anatiko""
Afa-po amin'ny fitiavan-dreniny ilay zaza efa maoty, mampionona sy mampangina ny fanahiny izy ka tsy mitady olon-kafa hasolo ny reniny. Toy izany aho hoy Davida eo anatrehan' Andriamanitra. Hoy izy : "Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho" - Salamo 23:1. Jesoa rahateo dia nanome toky hoe : "Izaho no mofon'aina, izay manantona Ahy tsy mba ho noana ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony" - Jaona 6:35. Mbola hanala hetaheta amin'ny inona indray? Ampy antsika Jesoa, feno ny fitiavan' Andriamanitra, anjaranao no manaram-po amin'izany!
Mombamomba
14 décembre 2025
16 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor