Ampy ho anao Jesoa eo am-pitetezana tany efitra

Thème du mois : Mampahafantatra ny asan'ny Tompo ny soratra
Ampy ho anao Jesoa eo am-pitetezana tany efitra
""... Izay nitondra ny olony nitety ny efitra""
Matokia fa mitondra anao mitety izany efitra izany Andriamanitra. Ampy ho anao ny mana isan'andro omeny anao. "Aleo ny kely omban'ny fahamarinana Toy izay ny harem-bevava azo amin'ny tsy rariny" - Ohabolana 16:8. Aleo miaritra kely mitety tany efitra miaraka amin' Andriamanitra toy izay mihinana harena maloto avy amin'ny lainga sy fanambakana. Rehefa miaraka amin'i Jesoa mitety efitra ianao dia toy ny olona voky sy afa-po mandrakariva, hoy Izy : "Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony" - Jaona 6:35
🤲Vavaka :
Mivavaha mba hananantsika fahafaham-po amin'izay omen'ny Tompo isan'andro
Sary : Tafika Masina tany Fiadanana Nosy-Varika, aprily 2022
Mombamomba
20 février 2026
4 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor