An'i Jesoa Tomponao ny fahefana, sahia manao ny sitrapony

Thème du mois : Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo
An'i Jesoa Tomponao ny fahefana, sahia manao ny sitrapony
"... Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;"
Talohan'ny niakarany tany an-danitra no nanaovan'i Jesoa izany fanmbaràna miezinezina izany. Vitany ny famonjena, tsy manam-pahefana hihazona izay mino any amin'ny fahaverezana ny devoly. Efa voalohan'i Jesoa teo amin'ny hazo fijaliana ny tambin'ny ota. Fanomezan-toky ny mpianatra izay hilaozany izany. Afaka mahatanteraka amin'ny fahasahiana ny iraka napetraka taminy ny mpianatra. Ianao koa, afaka miala amin'ny fangejan'ny devoly ary antsoina hitondra fanafahana ny hafa koa.
Vavaka:
Misaotra fa Ianao Ilay manana ny fahefana rehetra no maniraka anay. Amen
🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 13 juin 2026
Mombamomba
13 juin 2026
75 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Mihossiraman