Kristy fiainantsika

An'iza ny fanjakana eto Madagasikara?


An'iza ny fanjakana eto Madagasikara?
Thème du mois : Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo

An'iza ny fanjakana eto Madagasikara?

"Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay, Amen"

Iza moa ilay anaovanao ny vavaka fangatahana? Ilay Andriamanitra manana ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay! Rehefa vita ny vavaka dia misy fahatokiana fahazoana antoka ao anaty. Fanehoana fanandratana an' Andriamanitra sy fanetretena io famaranana vavaka io.

Tandremo tsara ary sao dia olombelona na olona efa maty na vola na fitaovam-piadiana na ny tenanao ihany no omenao ny fanjakana sy hery ary voninahitra.

Vavaka:

Na inona na inona mahery, ambony sy malaza dia tolotray ho Anao irery ihany ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra. Amen

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 5 juin 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

5 juin 2026

76 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro