Andramo, atomboy, tohizo, hatsarao ny fiaraha-mivavaka

Andramo, atomboy, tohizo, hatsarao ny fiaraha-mivavaka
"Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka ..."
Izay no mahatsara ireo vitsivitsy resy lahatra, afaka miray saina tsara ary maharitra mivavaka. Hoy Jesoa : "Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin'ny tany na amin'inona na amin'inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin'ny Raiko Izay any an-danitra izany" - Matio 18:19. Ny mpivady, ny ankohonana, ny mpinamana na mpiara-miasa samy resy lahatra dia afaka mifanaiky hiara-mivavaka. Ny samy avy any amin'ny firenena mifanalavitra aza afaka mifankahita tava sy miara-mivavaka amin'ny alalan'ny fitaovan-tserasera. Izay mangetaheta fiara-mivavaka dia mahita toerana sy fotoana ary fomba hanatanterahana izany.
Vavaka:
Jesoa ô! Mba hataon'ny ankohonana kristiana ho ambony sy laharam-pahamehana anie ny fiaraha-mivavaka. Amen
18 mai 2026
110 vues
1 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Mihossiraman