Andriamanitra Masina ve dia niteraka zanaka mankafy fahotana?

Andriamanitra Masina ve dia niteraka zanaka mankafy fahotana?
""Izay rehetra naterak' Andriamanitra no tsy manota ...""
Izay rehetra tena nibebaka marina ka nandray an'i Jesoa ho Tompo dia naterak' Andriamanitra; "Raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy mahazo mahita ny fanjakan' Andriamanitra" hoy Jesoa ao amin'ny Jaona 3:3. Izay tafiditra ao amin'ny fanjakan' Andriamanitra dia manao ny sitrapony, manao izay mahafaly Azy. Dia hisy olon' Andriamanitra hikomy ve ka hanohitra Azy? Sanatria izany! Tsy miroroa saina tahaka ny Zanak'Israely ny olona nateraka indray! Niala tany Egypta ianao satria te ho afaka amin'ny fanandevozana nefa nikomy hiverina any satria te hisakafo be.
Na hiaretana fahoriana sy ahazoana latsa aza, tsy miverin-dalana tamin'ny fanao taloha ny tena zanak' Andriamanitra. Mahatsiravina sy maharikoriko izany!
🤲Vavaka:
Ataovy fantatray ny maha olon' Andriamanitra anay, dia tsy hanao izay mampalahelo Anao izahay!
8 mars 2026
13 vues
10 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Editor