Kristy fiainantsika

Andriamanitra mpanao ny Tsara, tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay


Andriamanitra mpanao ny Tsara, tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay
Thème du mois : Mahandrasa, ho avy ny Tompo

Andriamanitra mpanao ny Tsara, tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay

""Tsara Jehovah amin'izay manantena Azy, dia amin'ny olona izay mitady Azy""

Hoy ny Salamo 119:68 : "Sady tsara Hianao no Mpanao ny tsara;". Hatramin'ny namoronan' Andriamanitra izao tontolo izao dia efa miharihary izany fahatsarany izany. Ny fanamarihana isan'andro nataony hoe : "Ary hitan' Andriamanitra fa tsara izany" dia nohamafisiny tamin'ny andro fahenina hoe : "Ary hitan' Andriamanitra izay rehetra nataony ary indro TSARA INDRINDRA izany" - Genesisy 1:31. Dia hivadika mpanao ratsy ve Izy? Sanatria izany. Tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay Izy. Anjaranao ny mitady Azy. "Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra" - Jeremia 29:13. Atolory Azy ny fonao, ifony ny fahotana nataonao fa izany no mampiafina ny tavany tsy ho hitanao. Mahereza!


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

22 novembre 2025

6 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro