Andriamanitra nanao ny sofina ve dia tsy handre?

Thème du mois : Mitarika ho amin'ny fandinihan-tena ny Tompo
Andriamanitra nanao ny sofina ve dia tsy handre?
""raha ny oloko ... dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ...""
Andriamanitra no nahary tongotra aman-tanana antsika hoy isika. Tsy manana tànana hamonjena antsika ve Izy? Izy nanao ny maso ve dia tsy mahita izao fahoriantsika izao? Tsia! Izy ve dia tsy hihaino ny olony? Saingy tsy afaka manoatra Izy satria maro no mitonona ho olony saingy tsy manetry tena, tsy tia Azy dia tsy mitady Azy, tsy tia Azy dia tsy miala amin'ny ratsy fanaony.
Nanatona antsika tamin'ny alalan'i Jesoa Izy fa isika kosa miavonavona. "Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy." - Jaona 1:11. Misy olon' Andriamanitra tsy voavela heloka. Valio ny antson'ny Tompo, "fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy" - Isaia 55:7
🤲Vavaka:
Mba ho tonga amin'ny fibebahana marina anie ny olon' Andriamanitra ary handray famelan-keloka
Mombamomba
6 mars 2026
3 vues
10 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor