Andriamanitra Rainao : Mpanasitrana ny fo

Thème du mois : Mpandresy ny Tompo
Andriamanitra Rainao : Mpanasitrana ny fo
""Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa, ...""
Maro ny aretina lazaina fa tsy mety sitrana satria tsy fantatra ny fototr'aretina. Tsy mifanandrify amin'ny aretina ny fanafody. Tsy mahalala ny fony ny olombelona dia mamita-tena mandrakariva, miteniteny foana, manao fahapahan-kevitra adaladala, diso safidy, manakorontana fiaraha-monina. Mahalala tsara ny aretin'ny fonao Andriamanitra, mahita ny ratram-ponao. Manana fanafody mifanandrify tsara amin'ny ditry ny fonao Izy. Hoy Izy : "Anaka atolory Ahy ny fonao"
🤲 Vavaka:
Fantatrao ny fototr'aretina ao am-poko, hainao ny manasitraka izany. Misaotra Tompo. Amen
Mombamomba
11 avril 2026
19 vues
1 min
Mpanoratra
R
RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Tahinasoa