Ankohonana sy ny mpiara-monina mihaino sy mampihatra ny sitrapon' Andriamanitra

Thème du mois : Mamoria vokatra ho an'ny Tompo
Ankohonana sy ny mpiara-monina mihaino sy mampihatra ny sitrapon' Andriamanitra
""Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, na ny vahiny ao an-tanànanao, hihainoany sy hianarany ka hatahorany an'i Jehovah Andriamanitrao sy hitandremany hanaraka ny teny rehetra amin'ity lalàna ity""
Taranak'ireo niala tany Egypta ary ankatoky ny hiditra any Kanana ireto nasain'i Mosesy novoriana eto mba handrenesany sy hankatoavany ny tenin' Andriamanitra. Raha te handova fitahiana dia zava-dehibe tokoa ny fiarahan'ny ankohonana sy ny mpiara-monina mihaino sy mampihatra ny sitrapon' Andriamanitra. Izany no mahatonga an'i Josoa sahy niavaka ka niteny hoe : "Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo an'i Jehovah izahay" - Josoa 24:15b. Raha misy iray tena mino fotsiny dia tanterahin'ny Tompo ny teny hoe : "Minoa an'i Jesoa Tompo dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao" - Asan'ny Apostoly 16:31
Mombamomba
25 octobre 2025
5 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor