Kristy fiainantsika

Any amin'ny olon' Andriamanitra ny vahaolana


Any amin'ny olon' Andriamanitra ny vahaolana
Thème du mois : Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo

Any amin'ny olon' Andriamanitra ny vahaolana

"... dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny"

Azo inoana ve fa mbola ho sitrana ny tanintsika? Azo inoana ve fa mbola hiadana sy ho finaritra ary ho sambatra ny malagasy? Jonà izay nirahin' Andriamanitra hitoriteny tany Ninive tsy nino fa hiova io firenena io, izany no nahatonga azy nivily lalana nakany Tarsisy. Tsy nampoiziny, niova ireo olona ratsy fanahy ireo. Fa ny olon' Andriamanitra koa dia tena ratsy fanahy; "Raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny"

Dia ho voasongon'ny olon-dratsy tany Ninive ve ny olon' Andriamanitra eto amintsika?

Vavaka:

Mba hiala amin'ny ratsy fanaony anie ny olonao dia ho sitrana ny taninay. Amen!

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 27 juin 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

27 juin 2026

79 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro