Any an-danitra vao misy fitsaharana tanteraka

Thème du mois : Mifampahery ny mpino
Any an-danitra vao misy fitsaharana tanteraka
""Miambena hianareo, tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitomban-dahy, mahereza""
Any an-danitra vao misy fitsaharana tanteraka. Manam-pitsaharana ihany isika ety an-tany saingy tahaka ny miaramila manafika isika, miari-tory, miambina fa ny devoly dia tahaka ny liona mierona mivezivezy mitady Izay harapany. Aza misalasala na miroaroa saina, rehefa miady dia miady, fenoy tenin' Andriamanitra ny fo sy sainao ho sabatry ny fanahy. Manaova tahaka an'i Davidakely sahy nifanandrina tamin'i Goliata.
Aza manome voninahitra ny fahavalo ka miteny hoe "mahery ny asan'ny maizina, tsy kely lalana ny devoly..." Angaha malemy sa maty ny Andriamanitrao? Kely làlana sy voafetra ve Izy? Miadia ny ady tsaran'ny finoana.
Mombamomba
24 août 2025
7 vues
5 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor