Ao am-ponao ve Jesoa Mpandresy?

Thème du mois : Mpandresy ny Tompo
Ao am-ponao ve Jesoa Mpandresy?
""Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika""
Ny kristiana resy dia miara-mirona amin'ny olon'izao tontolo izao tia tena tia vola, manao kolikoly, mangalatra, manompo sampy, voafatotry ny zava-maha-domelina, mijangajanga. Fa maninona no misy kristiana resy? Tsy naterak' Andriamanitra izy, tsy niova fo, tsy olom-baovao, tsy anjakan'ny Fanahy Masina.
Te ho mpandresy ianao? Jesoa ao am-ponao ihany no afaka mampandresy anao. Efa naharesy izao tontolo izao Izy. Mibebaha, Izy no miady ho anao! Mahereza!
🤲 Vavaka:
Mba ho velona ao am-pon'ny kristiana sy ny fiangonana anie Ianao dia hahery sy handresy ny fanaon'izao tontolo izao izay mitondra ny anaranao!
Mombamomba
12 avril 2026
10 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra