Ao amin'i Jesoa ihany no misy fanantenana ho an'ny firenena

Thème du mois : Manantenà an'Andriamanitra
Ao amin'i Jesoa ihany no misy fanantenana ho an'ny firenena
""Ary amin'izany andro izany ny solofon'i Jese, Izay hitsangana ho fanevan'ny firenena, dia Izy no hotadiavin'ny jentilisa; Ary ny fitoerany dia ho voninahitra""
Ao amin'i Jesoa, atao hoe Solofon'i Jese irery ihany no misy fanantenana ho an'ny firenena. "Ny fahamarinana manandratra ny firenena; Fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin'ny olona" - Ohabolana 14:34. Potika sy hitsakitsahina ny hasina maha olombelona, mitondra fahafaham-baraka isika noho ny fahotana. Hoy ny anjely : "ary ny anarany hataonao hoe Jesosy; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany" - Matio 1:21. "Jesoa no fahamarinana" (Jaona 14:6)
Mombamomba
26 décembre 2025
7 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor