Ao amin'izay itoeran'ny Fanahy no itoeran'ny FAHAFAHANA

Thème du mois : Mitari-dalana ny Fanahy Masina
Ao amin'izay itoeran'ny Fanahy no itoeran'ny FAHAFAHANA
""Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana""
Mitoetra ao anatinao ve ny fanahy? Aza atao hoe angamba; eny na tsia ny valiny.
Raha eny, dia ao amin'izay itoeran'ny Fanahy no itoeran'ny FAHAFAHANA. Afaka ho tahaka ny Zanak'Isarely fahiny ianao, afaka amin'ny fanandevozan'i Farao, afaka amin'ny fanandevozan'ny ota.
Raha tsia dia mbola ny fanahin'izao tontolo izao sy ny fanahy ratsy no mangeja anao. Tsy ny fiezahanao hiala amin'ny ratsy aloha no tadiavin'ny Tompo fa ny fanekenao itoeran'ny Fanahy.
Mombamomba
28 mai 2025
13 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor