Ao anatin'ny fahendrena no namelany ny fisian'ny toe-javatra miovaova eo amin'ny fiainanao

Thème du mois : Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo
Ao anatin'ny fahendrena no namelany ny fisian'ny toe-javatra miovaova eo amin'ny fiainanao
""Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany""
Tao anatin'ny hatsarany sy fahendreny no nanaovany ny ririnina sy lohataona ary fahavaratra. Koa raha misy toe-javatra miovaova toy izany eo amin'ny fiainanao manokana dia ao anatin'ny fiheveran' Andriamanitra hahatonga fiadanana ho anao izany. Tsara avokoa, na ny ririnina mamirifiry na ny lohataona misy masoandro migaingaina, na ny fahavaratra misy kotroka sy tselatra
🤲 Vavaka :
Mivavaha mba tsy hiova ny finoantsika an' Andriamanitra tsara sady Mpanao ny tsara
Mombamomba
12 janvier 2026
9 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor