Aoka ho hita aminao Jesoa mpaniraka anao

Aoka ho hita aminao Jesoa mpaniraka anao
"Hoy Jesoa taminy: Avia, fa ho hitanareo"
Tahaka ny paik'ady nanatanterahan'i Jesoa ny fanofanany ny mpianany no hanatanterahantsika koa ny iraka nampiandraiketiny antsika. Dia nanara-dia an'i Jesoa tokoa ny 12 lahy ary nahita tamin'ny fiaraha-miaina tamin'i Jesoa ny fiainana ao amin'ny fanjakan' Andriamanitra. Mijery anao ny manodidina anao, manomboka amin'ny ankohonana sy ny eo amin'ny fiaraha-monina ka hatrany am-piasana. Lazao aminy hoe : "Avia fa hohitanareo". Ataovy mahita an'i Jesoa amin'ny alalanao izy dia ho lasa mpianatr'i Jesoa koa. Isan'andro, amin'ny toerana rehetra sy manoloana ny toe-javatra rehetra, raha fiainantsika tokoa Kristy dia ho voatory hatramin'ny faran'ny tany ny filazantsara.
Vavaka : Mba hitombo ao aminay anie Ianao Kristy dia hohitan'ny olona rehetra. Amen!
🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 7 juillet 2026
7 juillet 2026
137 vues
1 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Mihossiraman