Kristy fiainantsika

Aoka ho vonona lalandava ka ny lambanareo sikino ary ny jironareo areheto


Aoka ho vonona lalandava ka ny lambanareo sikino ary ny jironareo areheto
Thème du mois : Mahandrasa, ho avy ny Tompo

Aoka ho vonona lalandava ka ny lambanareo sikino ary ny jironareo areheto

""–Aoka ho vonona lalandava ka ny lambanareo sikino ary ny jironareo areheto""

Sarin'ny mpiasa amin'ny alina no anehoan'i Jesoa izay tena vonona amin'ny fiaviny. Manao "tablier" na "combinaison" ary hazavain'ny jiro. Tahaka ny andro alina izao ankatoky ny fiavin'ny Tompo izao, manjaka ny asan'ny maizina ary renoky ny torimasom-pahotana izao tontolo izao.

Aza mety ho resin'ny fampatorian'ny devoly sy ny fanaon'izao tontolo izao. Aza mety ho voafitaky ny devoly amin'ny fampilendalendana ny mena miraviravy.

Ho avy Jesoa! Aza variana miondrika eto tahaka ny olona tsy manana fanantenana, manompoa ny Tompo na dia toy ny alina hatoriana aza izao.


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

17 novembre 2025

8 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro