Aoka mba ho ny fitarihan'ny Fanahy Masina no hitondra anao hiditra ao amin'ny Tempolin' Andriamanitra

Thème du mois : Mitari-dalana ny Fanahy Masina
Aoka mba ho ny fitarihan'ny Fanahy Masina no hitondra anao hiditra ao amin'ny Tempolin' Andriamanitra
""Ary nentin'ny Fanahy Masina niditra teo an-kianjan'ny tempoly izy; ... dia nitrotro Azy izy ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe: ""
✨ Méditation
Aoka mba ho ny fitarihan'ny Fanahy Masina no hitondra anao hiditra ao amin'ny Tempolin' Andriamanitra. Ny sasany manko dia olona no tadiaviny any, ny hafa kosa te hisehoseho, eo koa ny fahazarana fotsiny sy fomba amam-panao. Nentin'ny Fanahy i Simeona teto dia nahita an'i Jesoa. Ny fitarihan'ny Fanahy no mahatonga anao mihaona amin'i Jesoa. Maro ireo tsy afaka mankany amin'ny tempoly. Rehefa mitady ny Tompo amin'ny fonao rehetra ianao dia sokafan' ny Fanahy Masina ny masom-panahinao dia ho feno fiderana Azy ianao.
Mombamomba
22 mai 2025
10 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor