Araka ny haben'ny ao am-po no itenenan'ny vava

Thème du mois : Mitari-dalana ny Fanahy Masina
Araka ny haben'ny ao am-po no itenenan'ny vava
""Ny Fanahin'i Jehovah no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin'ny lelako""
✨ Méditation
Araka ny haben'ny ao am-po no itenenan'ny vava hoy Jesoa. Feno an' Andriamanitra ny fony dia mivoaka ho azy amin'ny vavany izany!
Inona no mameno ny fonao ao? Vola? Dia izay no eritreretinao sy tsy mampahita tory ary mampiteniteny anao. Olombelona no mameno ny fon'ny sasany, akoho lahy ny an'ny hafa dia izany mandrakariva no mivoaka ny vava.
Mahafinaritra izany hoe : ampitenenin' Andriamanitra. Mitondra fahasambarana ho an'ny manodidina izany. Ifony amin'ny Tompo ny fahaloton'ny fonao dia hofenoina ny Fanahy Masina ianao.
Mombamomba
23 mai 2025
9 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor