Kristy fiainantsika

Ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao


Ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao
Thème du mois : Mifampahery ny mpino

Ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao

""Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao""

Petera, mpianatra mafana fo, nanome toky hoe : "Tompoko, vonona hanaraka Anao aho, na ho ao an-tranomaizina, na dia ho any amin'ny fahafatesana aza". Tsy nahatana ny toky nomeny Petera, mbola marefo sy malemy ny hery tao anatiny, nandainga in-telo ho tsy nahalala an'i Jesoa izy. Soa ihany fa efa nivavaka ho azy Jesoa dia tsy levona ny finoany ary nibebaka izy. Ianao koa, na tamin'inona na tamin'inona no nahalavo anao tamin'ny fahotana, mibebaha, fa raha miaiky ny fahotanao ianao dia mamela ny helokao Izy. Ho tahaka an'i Petera nafana fo tamin'ny fampaherezana ny hafa ianao.


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

10 août 2025

9 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro