Kristy fiainantsika

Asa misy hery sy voninahitr' Andriamanitra


Asa misy hery sy voninahitr' Andriamanitra
Thème du mois : Velon'ny finoana ny mpino

Asa misy hery sy voninahitr' Andriamanitra

""... Ary nahoana no mandinika anay ianareo, toa herinay na fahamasinanay no nanaovanay azy ho afa-mandeha?""

Gaga sy talanojna ny olona nahita ilay lehilahy malemy tongotra nitsambikimbikinna sy nihazakazaka ary nihazona an'i Petera sy Jaona izay nivavaka ho azy. Tsy izahay hoy izy roalahy no nahatonga an'io lehilahy io ho afa-mandeha fa Jesoa. Manana izany toe-po manetri-tena sy manome voninahitra an' Andriamanitra izany ve isika? Miambena tsara fa na isika aza dia mety hisongona an' Andriamanitra ka mangalatra ny voninahitra tsy maintsy ho Azy, na olona manodidina antsika no manandratra antsika hihoatra sy hisongona Azy. Ataovy marina tsara manomboka ao am-po ny fanambarana hoe : "ho an' Andriamanitra irery ihany ny voninahitra"


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

21 septembre 2025

6 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro