Kristy fiainantsika

Asain' Andriamanitra miala amin'ny ratsy fanaony ny mpitarika


Asain' Andriamanitra miala amin'ny ratsy fanaony ny mpitarika
Thème du mois : Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo

Asain' Andriamanitra miala amin'ny ratsy fanaony ny mpitarika

"Ary nony efa ren'ny mpanjakan'i Ninive izany, dia nitsangana niala tamin'ny seza fiandrianany izy, ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana sady nipetraka tamin'ny lavenona"

Miantefa amin'ny filoha na ny mpitarika na lehibe ny tenin' Andriamanitra miantso azy hiala amin'ny ratsy fanaony. Hatramin'ny lehilahy lohan'ny ankohonana dia asain' Andriamanitra manetry tena, ka ny sitrapon' Andriamanitra no itondràna izay eo ambany fitarihanao. Dia mbola nijanona tamin'ny faharatsiany ihany ve Ninive raha efa nibebaka ny mpanjakany? Tsia! Dia toy izany koa, hihena ny faharasiana eto amin'ny firenana raha samy mibebaka avokoa ny mpitarika, ny filoha ary ny lehibe.

Vavaka:

Mba ho tonga amin'ny fibebahana avokoa anie ny mpitarika rehetra eto amin'ny firenena. Amen

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 24 juin 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

24 juin 2026

88 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro