Kristy fiainantsika

Ataovy mahazo ny laharana voalohany eo amin'ny fiainanao ny Tompo


Ataovy mahazo ny laharana voalohany eo amin'ny fiainanao ny Tompo
Thème du mois : Velon'ny finoana ny mpino

Ataovy mahazo ny laharana voalohany eo amin'ny fiainanao ny Tompo

""Ary nitsahatra ny mana tamin'iny andro ampitso iny, dia tamin'ny nihinanany ny vokatry ny tany, ...""

Tafiditra soa aman-tsara tao amin'ny tany Kanana ny Zanak'Israely, tsy nilatsaka avy tany an-danitra intsony ny mana fa sakafo nipoitra avy tao amin'ny tany avy tamin'ny fambolena sy fiompiana indray no niveloman'ny Zanak'Israely. Nataon' Andriamanitra ho mahavokatra ny tany, mandatsaka orana, manome masoandro sy rivotra Izy. Sitraky ny Tompo hihinana ny hanina sahaza isan'andro isika. Tsy tanteraka nefa izany raha tsy mikatsaka ny fanjakany sy ny fahamarinany isika. Ataovy mahazo ny laharana voalohany eo amin'ny fiainanao ary ny Tompo dia hanampiny ho anao izay hohaninao sy hotroinao sy hotafianao


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

22 septembre 2025

7 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro