Kristy fiainantsika

Ataovy mazava sy marina ny teny aloaky ny vavanao


Ataovy mazava sy marina ny teny aloaky ny vavanao
Thème du mois : Mamoria vokatra ho an'ny Tompo

Ataovy mazava sy marina ny teny aloaky ny vavanao

""Ary hoy Petera : Ry Ananiasy,nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin'ny Fanahy Masina ka hanafina ny vola sasany vidin'ny tany?""

Ataovy mazava sy marina ny teny aloaky ny vavanao, ny filazana, ny tatitra, tsy ny olona ihany no mihaino izany fa ny Fanahy Masina mahalala ny tena marina. Niteny mihoatra, nanitatra mihoatra ny tena izy Ananiasy sy Safira, niharan'ny fahafatesana tampoka izy ireo. Aoka tsy ny filan-dera sy ny sitraka avy amin'ny olona no manosika anao hanompo an' Andriamanitra fa alaim-panahy hihevin-tena ho zavatra eo imason'ny olona isika. Raha tsy ianao intsony no velona fa Kristy no velona ao anatinao dia ny fijerin' Andriamanitra no mavesa-danja aminao ka mahatonga anao hanao mihoatra mandrakariva na tsy hitan'ny olona aza


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

1 octobre 2025

13 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro