Atolory hanompoana ny Tompo izay eo aminao

Thème du mois : Olomboaantso ny mpino
Atolory hanompoana ny Tompo izay eo aminao
""Ary hoy Jesosy taminy: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy izy: Fito sy hazandrano madinika vitsy foana""
Efa telo andro izy ireo no niaraka tamin'i Jesoa, lany vatsy. "'Ary izay nihinana dia efatra arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy"- Matio 15:38. Ny vehivavy sy ankizy maro an'isa indray no tsy misaina nefa mba mihinankanina koa ireny. Inona no navalin'ny mpianatra? "Mofo fito sy hazan-drano madinika vitsy foana". Tsy menatra nanolotra izay nisy teo aminy izy ireo.
Noraisin'i Jesoa izany ka nanaovany fisaorana. Fahagagana tsy nisy ohatr'izany! Nitombo ny mofo sy hazan-drano, voky ny olona, nisy ambiny fito sobiky. Atolory hanompoana ny Tompo izay eo aminao, mbola mamerina ny fahagagana toy izao izy
Mombamomba
16 juillet 2025
6 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor