Aza araraotiny ny famindrampon' Andriamanitra

Aza araraotiny ny famindrampon' Andriamanitra
""Sa be hamoram-po sy fandeferana ary faharetana Andriamanitra ka tsiratsirainao?""
"Tia ahy foana ny Tompo na inona na inona ataoko, tsy mahafoy ahy Izy". Dia manararaotra an' Andriamanitra "mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranon'orana amin'ny marina sy ny tsy marina" ny maro. Dia tohizana foana ny haratsiam-panahy sy ny tsy fahamarinana, betsaka amin'izay manao izany aza no mafana fo amin'ny asa fanompoana. Dia tsiratsiraina sy atao tsinontsinona ary tenenina ratsy ny anara-masin' Andriamanitra. "Ireny hono no mba mpanompon' Andriamanitra !". Tsy ny hahatonga anao ho ratsy toetra ny famindrampon' Andriamanitra fa ny hanahafanao ny hatsaram-panahiny.
🤲 Vavaka:
Mifona aminao izahay fa tsiratsiraina noho ny tsy fahatahoranay anao ny Anaranao Masina
📸 Sary
Pasitera Emmanuel, lalana nandritry ny famangiana ny fiangonana tany Fiadanana Nosy Varika, aprily 2023
21 mars 2026
18 vues
10 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Editor