Kristy fiainantsika

Aza atao etam-barotra Jesoa


Aza atao etam-barotra Jesoa
Thème du mois : Mitarika ho amin'ny fandinihan-tena ny Tompo

Aza atao etam-barotra Jesoa

"Hoy Jodasy : "Homenareo hoatrinona aho hanolorako Azy aminareo? Ary izy nandanja sekely volafotsy telo-polo homena azy""

Mivoaka ny vavantsika isan'andro ny teny hoe : "Ohatrinona?" Rehefa betsaka ny tombony ho antsika amin'izany dia mananapa-kevitra isika. Tandremo nefa sao dia fanapahan-kevitra teren'ny fitiavam-bola tahaka an'i Jodasy no raisintsika, "fanolorana an'i Jesoa". Maro no mivadika amin'i Jesoa noho ny herin'ny vola. Ady varotra mitondra any amin'ny fahaverezana.

Tsy misy afaka hitondra vola any amin'ny mandrakizay hahazoany rariny eo amin'ny fitsaran' Andriamanitra. Sa hanomana ihany?

🤲 Vavaka :



Andriamanitra ô, aza avela horesin'ny fitiavam-bola tahaka an'i Jodasy izahay fa ataovy babon'ny fitiavanao

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

28 mars 2026

11 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro