Aza avela hisy hahasakana anao na inona na inona, tsy hahitanao ny Tompo

Thème du mois : Olomboaantso ny mpino
Aza avela hisy hahasakana anao na inona na inona, tsy hahitanao ny Tompo
""Ary Jesosy nijanona, dia nanao hoe: Antsoy ilay jamba. Ary ny olona niantso azy ka nanao taminy hoe: Matokia, mitsangàna, miantso anao Izy""
Fa naninona no nahazo antso manokana ilay jamba? Nitabataba tsy azo nampanginina niantsoantsoa hoe : "Ry Jesoa, zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko". Ny masony no tsy nahita fa ny sofiny nandre ary ny vavany afaka niantso. Maro ny olona tsy manan-kilema nefa tahaka ny jamba sy moana ary marenina, tsy rototra ny hitady an'i Jesoa. "Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho. Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra" - Jeremia 29:12-13
Aza avela hisy hahasakana anao na inona na inona, tsy hahitanao ny Tompo. Sambatra izay olona antsoiny fa handray fanasitranana
Mombamomba
23 juillet 2025
6 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor