Kristy fiainantsika

Aza avela hisy zavatra hafa hanongana an'i Jesoa eo amin'ny seza fiandrianan'ny fonao


Aza avela hisy zavatra hafa hanongana an'i Jesoa eo amin'ny seza fiandrianan'ny fonao
Thème du mois : Mitarika ho amin'ny fandinihan-tena ny Tompo

Aza avela hisy zavatra hafa hanongana an'i Jesoa eo amin'ny seza fiandrianan'ny fonao

""... ny mpanompo sampy ... dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa""

"Raha andefasana ahy any amin'ny afobe ve dia mbola ataoko ihany? Efa narianay avokoa ny ody avy tany amin'ny mpisikidy sy mpanandro. Izahay koa tsy tsy manompo razana, tsy mamadika izahay, tsy fombanay izany "

Io olona io nefa manao tahaka an-dry Zakaiosy lehiben'ny mpamory hetra fahiny, maka volan'olona amin'ny fanambakana, maka mihoatra noho izay tokony halainy. Mitovy amin'ny mpanompo sampy. Baikon'ny vola handainga sy hangalatra, manao fanamparam-pahefana. Any amin'ny afobe!

Rehefa tsy mipetraka eo ambony seza fiandriananan'ny fonao Jesoa dia mifarombaka hipetraka eo avokoa ny karazan-tsampy miseho amin'ny fomba samihafa.

🤲 Vavaka:

Diniho izahay Tompo, sao misy zavatra hafa mamikitra eo amin'ny seza fiandrianan'ny fonay.

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

20 mars 2026

12 vues

10 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro