Kristy fiainantsika

Aza ho isan'izay tsy mino. Velona Jesoa!


Aza ho isan'izay tsy mino. Velona Jesoa!
Thème du mois : Mitarika ho amin'ny fandinihan-tena ny Tompo

Aza ho isan'izay tsy mino. Velona Jesoa!

""... Nahoana no ato amin'ny maty no itadiavanareo ny velona?""

Aza manaiky hotarihin'ny tsy finoana any amin'ny tontolo tsy ahitana an'i Jesoa. Any amin'ny toeran'ny maty ve no itadiavana an'i Jesoa velona? Baikon'ny tsy finoana sy ny tahotra ary ny fanahiana isika dia mitady vaha olana araka izay heverintsika dia mizotra any amin'ny fahaverezana sy fahotana. Any amin'ny faharesena ve no itadiavana fiainana sy fifaliana? Tsarovy ny tenin'i Jesoa, aoreno ny finoanao, dia ho fanilon'ny tongotrao sy hanazava ny lalanao hahita an'i Jesoa nitsangana tamin'ny maty izany.

🤲 Vavaka:



Tariho isan'andro izahay hizotra amin'ny fihevitrao sy ny lalanao Jesoa, velona nitsangana tamin'ny maty. Amen!

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

7 avril 2026

17 vues

10 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro