Aza mampitovy tena amin'ny biby, tsy mahalala afa-tsy ny sakafon'ny nofo

Thème du mois : Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo
Aza mampitovy tena amin'ny biby, tsy mahalala afa-tsy ny sakafon'ny nofo
""Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay""
Vaovao mahafaly ny fahalalana fa sitrapon' Andriamanitra ny fihinanan'ny olona tsirairay ny sakafo sahaza ho azy. Tsy vavaky ny olona tia tena tsy mahalala afa-tsy ny azy ihany no nampianarin'i Jesoa. Tafiditra ao anatin'io avokoa ny olona rehetra, na ny fahavalonao aza. Velona hanao inona ary ianao anio? Velona mba hihinana? Dia mitovy amin'ny biby ihany izany! Ny biby no tsy mihinana afa-tsy ny sakafon'ny nofo. Hoy Jesoa : "Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay alaoky ny vavan' Andriamanitra"
🤲 Vavaka :
Mangataha fa omeny anao isan'andro ny sakafom-panahy sahaza anao
Mombamomba
14 janvier 2026
9 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor