Kristy fiainantsika

Aza manao fangala-piery amin' Andriamanitra


Aza manao fangala-piery amin' Andriamanitra
Thème du mois : Mitari-dalana ny Fanahy Masina

Aza manao fangala-piery amin' Andriamanitra

""Ary tonga tao amiko ny Fanahin'i Jehovah, ka hoy Izy tamiko: Lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Izany no fiteninareo, ry taranak'Isiraely, ary fantatro izay rehetra ao an-tsainareo""

✨ Méditation

Aza manao fangala-piery amin' Andriamanitra ka miteny hoe "tsy hitany aho, tsy reny ny teny nolazaiko, na tsy fantany izay nataoko".

Maro ny olona manaram-po amin'ny fanaovan-dratsy, mihevitra fa tsy maty manota. "Fantatro izay rehetra ao an-tsainareo hoy ny Tompo". "Aiza no hialako amin'ny Fanahinao? " - Salamo 139:7

Tsy aleo miaiky heloka sy mifona ankehitriny dia mandray famonjena, toy izay iharan'ny fanamelohana mandrakizay?


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

17 mai 2025

18 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro