Aza manao hoe: efa reko, efa reko toy ny sahona

Thème du mois : Miasa ao amin'ny mino ny Fanahy Masina
Aza manao hoe: efa reko, efa reko toy ny sahona
"Fa efa adala ny fon'izao olona izao. Ary efa lalodalovana ny sofiny, Ary efa nakimpiny ny masony ..."
Ny adala angaha mihaino anao izany! Tohizany foana ny hadalany, manakipy ny masony ary manampitsofina ny amin'ny sitrapon' Andriamanitra ny sasany. Ny tiany atao ihany no ataony. Ny fahadalana no ankafiziny. Tsy maintsy ho avy nefa ny fotoana anekeny fa "ny tenin' Andriamanitra no fahamarinana". Amin'izay fotoana izay, asa, raha afaka hibebaka na tsia. Tsy aleo manetry tena sy miaiky heloka izao dieny izao? Dia voavela heloka izao dieny izao!
Vavaka:
Mba ho voarain'ny kristiana anie ny fahefan'ny tenin' Andriamanitra ka tsy hangataka andro fa tonga dia hibebaka. Amen
Mombamomba
3 mai 2026
49 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Mihossiraman