Kristy fiainantsika

Aza manao hoe "tsy misy" nefa misy


Aza manao hoe "tsy misy" nefa misy
Thème du mois : Mampahafantatra ny asan'ny Tompo ny soratra

Aza manao hoe "tsy misy" nefa misy

""... Tsy misy atỳ aminay, afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa""

Afaka mandresy ny tsy fisiana ny finoanao. Tsy nisy sakafo azo nomena ireto vahoaka ao anatin'ny hanohanana ireto. Ny mpianatra aza efa niteny hoe "ravao ny vahoaka". Raha noravana teo ny vahoaka dia inona no nanjo azy? Ny mpianatra koa niteny hoe : "Tsy misy aty aminay ..." Soa ihany fa notohizany ny teniny hoe : "... afatsy mofo dimy sy hazan-drano roa".

Ohatran'ny tsy misy tokoa ireo "mofo dimy sy hazandrano roa ireo" manoloana ireto olona marobe noana ireto. Soa ihany fa sahy nilaza ny misy teo aminy ny mpianatra.

🤲Vavaka :

Mivavaha mba hahazoantsika mitantana izay rehetra nampiandraiketin' Andriamanitra antsika araka ny sitrapony

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

23 février 2026

10 vues

5 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro