Aza mandiso fanantenana an'Andriamanitra Rainao

Aza mandiso fanantenana an'Andriamanitra Rainao
""raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ... ""
Olon' Andriamanitra tokoa ve ianao? Te hirehareha ny amin'ny fisianao eto min'ity tany ity Andriamanitra Rainao! Nahafaly an' Andriamanitra ny fitiavan'i Joba Azy, dia hoy Izy nidera azy teo anatrehan'i Satana "Efa nahita an'i JOba mpanompoka va hianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany ..." Joba 1:8. Tiany tokoa raha olona tia Azy tahaka an'i Joba ianao. Mahafaly Azy sa mandiso fanantenana Azy ny fanononana anao ho olony? Fotoanan'ny fifonan'ny olon' Andriamanitra izao karemy zao; andeha hiaiky fa anarana fotsiny mandrakariva ny maha olon' Andriamanitra fa tsy fiainana . Mamela heloka Izy.
🤲 Vavaka:
Andriamanitra ô,hohamasinina eo amin'ny fiainan'ny olonao isan'andro anie ny Anaranao
📸 Sary fanehoana :
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mikarakara ody ambavafo ho an'ireo ankizy sahirana ao Ankadikely Ilafy, martsa 2025
1 mars 2026
6 vues
10 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Editor