Kristy fiainantsika

Aza mandrimandry manana aretina


Aza mandrimandry manana aretina
Thème du mois : Mitarika ho amin'ny fandinihan-tena ny Tompo

Aza mandrimandry manana aretina

""... fahoriana no hihinanao ny vokany amin'ny andro rehetra hiainanao""

Ny loharanon' aretin'ny olombelona sy ity tany onenantsika ity dia ny fahotana. Aza odian-tsy hita, aza atao tsinontsinona, zava-poana avokoa izay rehetra ataontsika ary tahaka ny misambo-drivotra ihany isika raha tsy io fototr'aretina io no tsy ekentsika sy tsy itadiavantsika vahaolana. Hoy Andriamanitra : "Raha ny oloko ... miala amin'ny ratsy fanaony .. dia hahasitrana ny taniny Aho" - 2 Tantara 7:14

🤲Vavaka:


Ianao Fanahy Masina anie hanindrona am-po ny olona tsirairay ka tsy ho tafandry mandry ny amin'ny fahotana nataony izy fa ho tonga amin'ny fibebahana

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

13 mars 2026

6 vues

10 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro